Sosialy Tapatapany

Mpamily migadra

Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay mpamily taksibe zotra 015, izay notorian’ireo mpandeha tamin’ny herinandro lasa iny, rehefa avy niatrika ny fotoam-pitsarana omaly. Rahampitso no hivoaka ny didim-pitsarana. Tsy fanajana mpandeha sy fanompana mpitandro ny filaminana no isan’ny vesatra iampangana azy, ankoatra ny fihodinana an-dalana.