Tranga samihafa

Lalam-pirenena faharoa Taksiborosy iray nivadika tany anaty hantsana

Tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tany Andriaka, kilaometatra vitsy tsy hidirana ao Moramanga, ny taksiborosy iray, omaly maraina. Niala lalana sy nivadika tany anaty hantsana ity fiara mpitatitra. Nisy mpandeha maromaro naratra.

Fantatra araka ny vaovao nampitain’ny zandary, omaly tolakandro, fa tsy nisy ny aina nafoy.

Avy aty an-drenivohitra hihazo an’i Moramanga ilay taksiborosy marika « Mercedes Sprinter » izay nifandona tamin’ny kamiao iray. Niezaka niala an’io fiarabe io izy, hoy ny zandary mpanao famotorana, ka tafavily tany an-tsisin-dalana, avy eo indray mandeha. Araka ny fanazavana voaray hatrany dia nandositra ilay fiarabe. Eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana.

Nikarakara an’ireo maratra any amin’ny hopitaly kosa ny mpamilin’ny taksiborosy. Hatao famotorana izy, aorian’izay.