Sosialy

Fitsaboana voajanahary Mampitolagaga ny fanomezam- pahasoavana ananan-dRavao, mpanotra

Mbola manana toerana ambony ny fitsaboana nentim-paharazana. Enimpolo taona izao ravao, fantatry ny besinimaro amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny otra. Efa valo ambin’ny folo taona no nanasitranany sokajin’olona samihafa, avy amin’ireo saranga rehetra. Isan’ny nampakatra ny lazany ny fanasitranana an’ireo olona manana taolana tapaka na folaka.

Betsaka no variana manoloana ny fahaizan-dRavao manotra sy ny fahasitranana azon’ireo olona mandalo ao aminy. Be mpahalala izy nefa maro ihany koa ireo tsy mbola mahafantatra azy. Tsy vitsy ireo olona avy amin’ny saranga samihafa no nidododo ao aminy isan’andro mitady fahasitranana. Avy lavitra ny ankamaroan’izy ireo. Tsy tambo isaina ireo olona nijoro vavolombelona mikasika ny fahaizan’ity mpanotra ity mamerina amin’ny laoniny ny fahavoazan’ireo olona tapaka na folaka. Siosion-dresaka fotsiny dia efa tonga ny olona manatona azy. Ifandrombahana sy ilaharana aok’izany ao amin-dRavao, ka matetika tezitra aza ireo olona sasany rehefa misy tsy manaraka ny laharana. Tsy ny olona eto Antananarivo ihany no tonga miotra eny amin’ity renim-pianakaviana ity fa misy koa ireo avy any amin’ny faritra. Iray amin’izy ireny, ohatra, i Bakoliarisoa, avy any Antsiranana.

“Avy any Antsiranana aho no tonga ety. Efa fanindroany aho izao no mandeha ato. Henoko tamin’ny olona fotsiny fa misy izany Ravao izany manasitrana ireo tapaka sy folaka. Izaho moa narary lamosina sy lohalika. Efa nanatona mpitsabo ihany aho saingy tsy nisy fiovana rehefa nanaraka ny toromarika. Nanandrana nankaty fotsiny aho. Hitako fa efa misy fiovana ireo lamosiko sy lohaliko ankehitriny”, hoy i Bakoliarisoa nitantara.

Maraim-be

Mipetraka eny Itaosy, ity vehivavy ity, ary tsy maintsy miainga maraina mankeny amin-dRavao. Toy izany koa i Jean Baptiste sy i Jules, samy raim-pianakaviana. Efa niotra tamin’ny renin-dRavao itsy lehilahy voalohany, taloha. Latsa-bava izy fa: “mitovy tsy misy valaka tamin’ny fitsaboana nataon’ny reniny no mbola arahan-dRavao”.
“Efa notarafina tamin’irony fitaovam-pitiliana irony aho.Tapaka ny eto amin’ny tanako sy ny soroko. Tsy misy zavatra tena azon’izy ireo natao anefa. Tsy afaka mamerina ny taolana efa potika ny toeram-pitsaboana mahazatra. Avy eo dia iny fitarafana iny no hoentiko mankaty amin-dRavao. Marihina fa na tsy miteny aza dia tonga dia fantany ny faritra maharary. Teo amin’ny fahatelo ambin’ny folo taonako aho no efa tapaka taolan-tratra ka ny reniny no nanotra ahy tamin’izany. Mitovy mihitsy ny zavatra ataon’izy ireo”, hoy ny fitantaran’i Jean Baptiste, avy any Mahitsy.
Notohizany aza fa: “raha mpanotra manana fanomezam-pahasoavana manokana dia tsy fomba ary tsy azo atao ny mitaky vola be amin’ireo mila vonjy raha tsy izany tsy mandaitra ny fanasitranana atao”. “Maro ny Malagasy no mahay manasitrana. Matetika rehefa akaiky ho tapitra aina ilay olona manana fanomezam-pahasoavana, dia manome tso-drano ny zanany izay mandimby azy indray. Manan-kasina ny tso-drano ka tokony hohajaina foana ireo izay namindra ilay fanomezam-pahasoavana”, hoy izy.

Ny hasin-tanana

Tsy fianarana manokana akory na talenta no norantovin-dRavao ka nahatonga azy nanotra fa fanomezam-pahasoavana, araka ny nolazainy. “Fanomezam-pahasaovana izy ity. Ny dadabeko efa mpanotra. Rafaralahizafy, avy any Ankadikely no raibeko. Maty tampoka ny reniko ka izy no nanome tso-drano ahy”, araka ny fitantarany.

“Ny mampiavaka ny otra ataony dia efa misy menaka manokana mihitsy ampiasainy saingy miampy rora kely, rehefa manotra izy. Izay mihitsy no mahatonga ilay otra manana ny hasiny”, hoy ireo olona izay efa mpandeha ao aminy matetika.

Noho izany, dia tsy mametra ny vola homen’ny olona azy ity mpitsabo ity fa izay foy no aloa, izany hoe hasin-tanana. “Tsy azo atao ny mandidy an’izay foin’ny olona, na ny vola aloany”, hoy ity vehivavy mpanotra nanohy. Afaka manasitrana aretina maro amin’ny alalan’ny otra izy. Feno olona eo an-tokontaniny isan’andro mba hitady vonjy any aminy.

Be mpanakiana

“Manasitrana ireo aretina rehetra aho fa ireo olona folaka na tapaka no tena betsaka tonga eto amiko. Raha ny androany manokana, efa mahatratra telonjato any ho any ireo olona ireo. Ireo anefa dia tsy maintsy raisiko daholo anio vao afaka mandeha mamonjy ny fodiako aho”, hoy izy. Ireo efa zokiolona sy ireo marary mafy matetika no raisiny mialoha.

Tsy midoka tena ho mahay ny zavatra rehetra kosa Ravao na dia manana io fanomezam-pahasoavana io aza. Maro ireo mpitsabo miara-miasa aminy. “Misy olona tsaboiko dia alefako manatona dokotera. Misy koa ireo mpitsabo no mandefa ireo marariny aty amiko”, hoy ity mpanotra ity, mampahafantatra.

Betsaka ireo olona milaza fa tsy mety ny fitsaboany. Tsy mampihemotra azy kosa ireny resaka mandeha ireny satria misy foana ireo olona maro tonga manatona azy isan’andro. Nisy mihitsy aza ireo efa nanely tsaho fa maty Ravaon kanefa dia mbola velona soa aman-tsara.

“Maro no manakiana, nefa mahazo fahasoavana ny olona matoa manatona ahy. Ny mpanaratsy tsy maintsy misy foana. Mbola tonga ety amiko foana ny olona amin’izao fotoana izao”, hoy Ravao namarana ny resaka nifanaovana taminy.