Raharaham-pirenena

Fandikan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra Miteraka gaboraraka ny tsy fananan’ ny CENI fahefana hanasazy

Tsy afa-manoatra. Hiankina tanteraka amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ny momba ireo kandidà depiote mbola minia mihoa-pefy amin’ny fampielezan-kevitra. Fanairana sy fandraisana fepetra vonjimaika mba tsy hisian’ny korontana ihany hatreto no afaka ataon’ireo mpikambana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (Ceni).

“Betsaka ireo fampitandremana natao ary mbola hatao. Misy kosa anefa ireo fepetra efa noraisina momba ny fangalana onitra ara-bola amin’ireo kandidà tsy manara- dalàna eo amin’ny fametahana peta-drindrina. Ny fandikan- dalàna hafa dia an’ny Prefektiora no mandray andraikitra amin’ izany”, hoy Rakotondrazaka Fano, mpampakatenin’ny Ceni. Hatramin’ny omaly, mbola maro hatrany ny fandikan-dalàna hita tamin’ ny fampielezan-kevitra. Toy izany ihany koa ireo kandidà mitaraina amin’ny afitsok’ireo tompon’andraiki-panjakana sy olom-boafidy sasany amin’ ny fanomezana tombondahiny kandidà depiote
hiatrika ny latsa-bato amin’ny 27 mey 2019 ho avy izao.

“Ny HCC ihany no afaka mamoaka ny didim-pitsarana momba ireo fandikan-dalàna ireo”, hoy hatrany Rakotondrazaka Fano.