Raharaham-pirenena

Fanamarihana ny 13 Mey Mitohy ny tolona ho fametrahana ny demokrasia tena izy

Feno fito amby efapolo taona katroka ny hetsiky ny mpianatra teny amin’ny Kianjan’ ny 13 mey Analakely, tamin’ ny 1972. Nanamarika ity daty ity tamin’ny alalan’ny fanateram-bonikazo sy lahateny fohy teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna ny fikambanana Manda ho an’ny firaisampirenena, notarihin-dRavololomanana Lalatiana sy ny Fikambanan’ ny mpianatra 1972 notarahin-dRazafinjatovo Willy.

Nanentana ireo mpitolona rehetra eny anivon’ireo sehatra samihafa mba tsy hanaiky ho voavidim-bola sy voninahitra iretsy farany.

“Matetika no mifamotoana eto amin’ity Kanjan’ny 13 mey ity ny olona rehefa hanatanteraka tolona. Fitakiana zo amin’ny fomba madio no aoka hatao ary aza afangaro amin’ny tolona ny vola sy voninahitra”, hoy Razafinjatovo Willy. Nanamafy kosa Ravolomanana Lalatiana fa “Mitohy ny tolona ho an’ny fametrahana ny demokrasia tena marina satria mbola tsy mahaleo tena tanteraka ny firenentsika. Maro ireo Malagasy no tsy misitraka ny harena misy eto Madagasikara, mitombo ireo trangana kolikoly sy fanararaotam- pahefana isan-karazany”.

Nizotra tamim-pilaminana ny fankalazana tamin’ny ankapobeny.

Nicoh Richman