Sosialy

TOETR’ANDRO Ho maina ny andro ao anatin’ny telo andro

Vinavinain’ny mpamantatra ny mety ho toetry ny andro etsy Ampandrianomby ho maina ny andro ao anatin’ny telo andro manomboka, anio. “Saika manerana ny Nosy no ho maina sy mafampana ao anatin’ny telo andro amin’ny ankapobeny noho ny tsioka avy Atsimo somary malefaka. Anio hariva (ndlr: omaly) no mety hahazo oram-baratra ny faritra Atsimo Atsinanana, Fianarantsoa sy Vakinankaratra vokatr’io andian-drahona io. Hiala ny andian-drahona rahampitso (ndlr: androany) ka hiverina hiakatra ny mari-pana”, hoy Andrianjafinirina Solonomenjanahary, lehiben’ny sampana famantarana ny mety ho toetry ny andro etsy Ampandrianomby.

Eo anelanelan’ny 16°C hatramin’ny 28°C kosa ny mari-pana eto Antananarivo. Mbola ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona hatrany isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetr’andro hatrany.

Fanomezana Rasolomahery