Zavakanto

Bemiray

Faribolana Sandratra
Rehefa avy nampihanoka ny mpankafy antsan-tononkalo an-tsehatra teto an-drenivohitra tamin’ny « Tononkira
fananganana ny maty » ry Avelo-Nidor sy ireo mpiray faribolana aminy dia hihazo ny tanànan’i Tsiroanomandidy indray. Amin’ny 19 mey ho avy izao no hanatontosan’izy ireo ity teatra poetika ity, ao amin’ny Akany FJKM Tsiroanomandidy, amin’ny 2 ora sy sasany. Raha fintinina, ifangaroan’ny tantaram-pirenena sy ny resa-pitiavana ity vokatra ity. Ahitana hatsikana maromaro ihany eny an-tsefatsefan’ny tantara sasany.

Jazz MMC
Afa-po ireo mpivoaka alina tonga tetsy amin’ny le Glacier Analakely, ny zoma alina teo. Tsy nisy fotoana nipetrahana ireo tonga teny an-toerana fa nampitsinjahan’i Jazz MMC ilay printsin’ny dihy “Waza” sy “Gweta”. Nihanoka tanteraka tao anatin’ny ambiansy mafana sy loko afrikanina ireo mpijery. Mazava ho azy fa hira mihetsika avokoa no noentin’i Jazz MMC nanafana ny lanonana. Nanakoako teny an-toerana ireo hira nahafantarana azy tany am-piandohana toy ny “Tsy magnindroe”, “Anao tiako” sy ireo hira vaovao izay efa tsy afaka ao am-bavan’ireo mpankafy sahady, ao anatin’ izany ny hoe “Zah chef’nao” sy ireo maro hafa.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra