Kolontsaina

Tontolon’ny fampandihizana Hizara kanto eto Antananarivo sy Antsirabe i Dj Da sy Skill Dj Krazy Ice

Anisan’ireo mpampadihy, vahiny manana ny lazany avy atsy La Réunion i Dj Da Skill sy Dj Krazy Ice. Manomboka anio 14 marsa ka hatramin’ny sabotsy 16 marsa ho avy izao no haneho ny fahaiza-manaony eto Antananarivo sy any Antsirabe izy ireo.

Hitondra ireo kanto avy any aminy i Dj Da Skill, tompondakan’ny fifaninanana “Dj Turntablism 2017”, notontosaina, tany La Réunion. Tsy ho ambakan’ izany koa ny seho hozarain’i Dj Krazy Ice, mpampandihy mivoy ny gadona “Hip-hop” sy ny “Danchehall”. Hifampizara sy hifanakalo traikefa amin’ireo mpampandihy avy eto an-toerana koa izy mirahalahy ireto ankoatra ny fampisehoana hotanterahany. Toerana roa eto an-drenivohitra no hotetezin’izy ireo ka anisan’izany ny etsy amin’ ny Le Hub Isoraka sy ny etsy amin’ny Kudéta Carlton Anosy, izay hiarahany amin’i Dadlah Ben J, mpiangaly “Rap gasy”. Tahaka izay ihany, hizotra mankany Antsirabe, any amin’ny Alliance française Antsirabe sy any amin’ny B’Art Haingo Antsenakely i Dj Da Skill sy i Dj Krazy Ice. “Ho an’i Madagasikara, fomba iray ahafahana mampivelatra ny tontolon’ ny fampandihizana amin’ny sehatra iraisam-pirenena io fifanakalozana io”, hoy i Dadlah Ben J.

Nicoh Richman