Fanatanjahantena

« Nomad games » – Arabia Nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana i Naina

Na dia fandraisana anjara voalohany aza ny an’ireo solontena malagasy, tany Arabia Saodita, niatrika ny fifaninanana “Nomad Games”, dia azo heverina ho tsara ihany ny vokatra azon’izy ireo. Teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana no nihintsana i Heriniaina Randrianasolo na i Naina, izay nisolo tena antsika tamin’ny tolona nentim-paharazana na ny Alysh.

Mpikatroka avy any Kirghizstan, avy ao amin’ny Kaonti­nanta Aziatika, no nanilika azy teo amin’io dingana io. Tamin’ny katrok’ady voalohany natrehany dia teratany tonizia­nina no resiny teo amin’ny sokajin-taona latsaky ny 70 kg. Nihintsana teo amin’ny dingan’ny fifanintsanana kosa i Adrien Nico Rakotomalala, izay nisolo tena antsika teo amin’ny sokajy latsaky ny 84 kg, tamin’ny taranja tolona nentim-paharazana hatrany. Ho an’ireo taranja hafa indray dia tafapetraka teo amin’ny laharana fahavalo ambin’ny folo tamin’ireo mpifaninana enimpolo i Herilala Rakotoniaina, teo amin’ny sokajy Mas Wrestling, sokajy maherin’ny 105 kg. Tamin’ireo mpitolona afrikanina nandray anjara dia nahita fandresena roa, nanoloana an’ireo atleta Indianina sy avy any Uruguay i Herilala. Faharesena roa kosa no nosedrainy teo anatrehan’ny mpitolona avy any Kurdes sy DanemarkReraka tamin’ireo sedra nolalovany teo aloha izy ka nihintsana nialoha teo amin’ny hazakazaka “Sad Bag”, izay nitaterana fasika tamina gony milanja 112 kg mandroso sy miverina amina halaviran-dalana 50 m.