Sosialy Tapatapany

Kitrotro

Mahatratra 98 415 ankehitriny ireo trangana kitrotro voamarina nanomboka tamin’ ny fisian’ny valan’retina hatramin’ny 4 marsa lasa teo, araka ny tatitra nalefan’ ny minisiteran’ny Faha- salamam-bahoaka. Mano- didina ny telopolo sy eninjato no fantatra fa matin’ity aretina ity. Dimanjato eo ho eo kosa ireo mbola ahiahiana ho namoy ny ainy avy amin’ ny aretina kitrotro sy ny antony hafa teny anivon’ ny toerana samihafa. Distrika efatra amby zato no mbola ahitana ny kitrotro. Voakasik’izany avokoa ny faritra roa amby roapolo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra