Tapatapany Tranga samihafa

Kandidà nalaina an-keriny

Ny vaovao voaray farany, omaly, no nahafantarana fa mbola any am-pelan-tanan’ireo jiolahy ilay kandidà depiote nisy naka an-keriny tany Tsaratanàna, tamin’ny alahady lasa teo. Misafidy ny tsy mbola hanome vaovao noho ny tsiambara- telon’ny famotorana ny mpanao fanadihadiana. Mitohy ny famotorana an’ilay lehilahy efa voasambotra.