Kolontsaina Tapatapany

Hira vaovao

Omaly no namoaka ny hirany vaovao mitondra ny lohateny hoe “Tsisy adversaire” i Tence Mena, ka tao amin’ny tambajotran-tserasera “Facebook” no nizarany izany voalohany. Maro dia maro ny olona amin’izao fotoana izao no manaparitaka izany sahady. Toy ny efa mahazatra, tsy miova amin’ny gadon-kira efa fanaon’i Tence Mena io hira vaovao io.