Raharaham-pirenena Tapatapany

Hamerina ny tantara

Ny sabotsy 21 marsa 2019 no hikarakara famelabelaran-kevitra mikasika ny raharaha 29 marsa 1947 ny fikambanana tsy miankina « Ilontsera ». Etsy Antaninarenina manomboka amin’ny 8 ora sy sasany no hanatontosana izany. Mpahay tantara, mpanoratra, poeta, mpampianatra filôzôfia ary mpandalina pôlitika no handray anjara amin’izany. “Ndeha hanao dian-tana isika, hamantatra ny tantara sy hamolavola ny ho avy”, io no lohahevitra hofakafakaina amin’ity famelabelaran-kevitra ity.