Tapatapany Tranga samihafa

Halatr’omby

Nangalarin’ny dahalo ampolony ny omby zato, tany Mahaboboka Sakaraha, ny alatsinany lasa teo. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fokonolona. Nandositra ireo malaso. Tafaverina avokoa ny omby halatra. Nieren-doza ireo mpanara-dia.