Faritra Raharaham-pirenena

Fifidianana any Maroantsetra Kianin’ireo mponina sasany ny fisiana kandidà mampiahiahy

Velom-panahiana ny mponina sasany, any Maroantsetra, noho ny voalazan’izy ireo fisiana kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka, izay mitady hialokaloka amin’ny fahalaniana hiaka-dapa, etsy Tsimbazaza. Mbola tsy mivoaka akory ny lisitr’ireo kandidà voatazona handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka, dia efa misy ireo mponina maneho ny tsy fankasitrahany ny firotsahan’ireo kandidà sasany, izay faritan’izy ireo fa tsy madio sy voasaringotra tamina raharahana fanondrana harem-pirenena an-tsokosoko any amin’iny distrikan’i Maroantsetra iny.

Tahotr’ireo mponina sy olobe any amin’ity distrika ity ny « antony iray mahatonga ireo sokajin’olona hirotsaka amin’ny fifidianana depiote satria mikajy ny fahazoana an’ilay zo tsy azo enjehana hisitrahan’ireo parlemantera ». Misy amin’ireo kandidà any no fantatra fa manan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana manokana mikasika ny raharahana hazo sarobidy, saingy tsy nisalasala nanatitra ny antontan-taratasy firo­tsahan-kofidiany ihany.

Mitaky ny famongorana ny tsimatimanota ireo solon­tenan’ny mponina, mba tsy ho toeram-pialokalofan’ny olom-boafidy be afera ny ante­nimiera.