Tranga samihafa

Fanafihana mitam-basy Namono lehilahy iray ireo dahalo

Maty novonoin’ny dahalo, nandritra ny fanafihana niseho tany Vinaninoro Andre­fana, distrikan’i Lalangina, tamin’ny alin’ny alatsinainy lasa teo, ny lehilahy iray. Hangalatra omby no anton-dian’ireo olon-dratsy.
Tsy tanteraka izany noho ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana, teny an-toerana. Finday efatra, karazana akanjo, vilany iray ary akoho amam-borona marobe no lasan’ireo mpandroba.

Valo lahy ireto olon-dratsy nitondra basim-borona vita tanana sy karazana zava-maranitra nanafika ny tanàna, tokony ho tamin’ny folo ora alina. Nihorohoro ny mponina. Tsy nananan’ireo dahalo antra ny raim-pianakaviana tao amina trano iray. Maty, tamin’io fanafihana io ihany koa ny omby sy kisoa iray. Tavela teo ny fatiny. Ny zandary avy any Fianarantsoa no nidina tany an-toerana nanenjika an’ireo dahalo sy nijery an’ilay namoy ny ainy.