Nikorontana, nanomboka omaly, ny toetrandro tany amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy noho ny fandalovan’ny sisan’ny rivo-doza “ Francisco”. Nanomboka nikija ny oram-be, tany amin’ny toerana maro.
Tany amin’ny 170km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’ny sisan-drahona navelan’io rivo-doza andro ratsy, io omaly tamin’ny iray ora tolakandro. Tombanana hisy orana mitsitaitaika ny maraina, manomboka anio, eto amin’ny faritra Analamanga. Ny hariva kosa vao mety hisy orana.
“Efa mipaika any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy ny ampahany amin’io tangoron-drahona io. Betsaka ny rotsak’orana entiny. Faritra vitsivitsy, toa an’Androy, Atsimo Andrefana sisa no tsy hahazo orana. Hitohy ny volon’andro manjombona eto Analamanga. Hidina ihany koa ny mari-pana”, raha ny fanazavan’ny teknisianan’ny sampana mpamantatra ny toetrandro, omaly.
Nampiany fa miadana ny fikisahan’io andro ratsy io aty amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ka izay no ahiana amin’ ny fisian’ny tondra-drano amin’ny faritra handalovany. Nisy fivoarana ny filazana loza noho io tangoron-drahona io. Nahazo filazana miloko mena any Toamasina, Brickaville, Mahanoro sy Vatomandry. Nahazo filazana loza miloko mavo ny any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Mijanona ho miloko ny fampilazana loza vaoray eto Antananarivo sy ny any Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Ambatondrazaka, Manjakandriana.
Hanome hevitra