Fanatanjahantena

Haiady « pancrace » – Ranomasimbe indiana Hikatsaka haka medaly volamena maromaro ny delegasiona malagasy

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny andiany fahadimy amin’ny fifaninanana haiady “Challenge fight Pancrace de l’Océan Indien” hatao any La Réunion, amin’ny 29 febroary 2020, ireo mpikatroka amin’izao fotoana izao. Atleta dimy mirahalahy (Tolonjanahary Jackie, Solomampionona Mamy Nandrasana, Andriamampionona Tokiniaina, Razafindrakoto Tokiniaina, Rasolomampionona Joslin) no hiady medaly volamena telo farafahakeliny ho an’ny Malagasy.

“Mpikatroka telo tao anatin’ny dimy no nandrombaka medaly volamena, tamin’ny taona 2019. Hiezaka izahay mba hahazo vokatra tsara kokoa noho izany, amin’ity taona ity. Misokatra amin’ireo malala-tanana rehetra ihany koa izahay raha hanampy ny fanomanan’ireo atleta hiaro ny voninahi-pirenena handeha ho any La Réunion”, hoy Rafanomezantsoa Sahoby, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny vaomiera malagasy misahana ny haiady “Pancrace”.

“Nijery ny lesoka hita isaky ny mpikatroka izahay. Miezaka mafy ireo mpanazatra manomana an’ireo atleta malagasy na dia kely aza ny fotoana”, hoy Rakotomalala Gaston, mpanazatra azy ireo.