Tranga samihafa

Fifohana sy fivarotana rongony Olona roa ambin’ny folo noraofin’ny polisy

Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Polisy misahana ny zava-mahadomelina (Stup) tamin’ny fahenoana fisiana olona mifoka sy mivarotra rongony amina faritra vitsivitsy eto an-drenivohitra. Nisambotra olona roa ambin’ny folo izy ireo, tamin’ny alarobia lasa teo. Vehivavy ny efatra amin’ireo voasambotra.

Tratra teo am-pidorohana rongony tao amina trano iray, teny Ambohimahitsy, ny lehilahy fito. Sady mivarotra ihany koa izy  ireo ka fonosana folo isan’andro no amidy 1 000 ariary. Olona telo no voasambotra teny Nanisana. Mbola nahatrarana rongony tao amin’izy ireo. Vehivavy roa hafa kosa sarona teny amin’ny Tetezana Afovoany niaraka tamin’ny rongony iray kilao.