Tranga samihafa

Fandrobana « Cash point » Kisarisarim-panafihana ilay niseho teny Itaosy

Ny valin’ny fanadihadiana sy ny famotorana nataon’ny zandary no namaritana fa toy ny kisarisarim-panafihana ilay niseho tao amin’ny “Cash point Airtel”, teny amin’ny Itaosy Cité, tamin’ny alatsinainy lasa teo.

Tsy nisy akory ireo jiolahy nanafika. Voarohirohy ny vehivavy telo mpiasa ao amin’io fivarotana io, izay voatondro ho namorona ny fisiana fandrobana sy tompon’andraikitra tamin’ny fahaverezan’ny vola. Tsy mitovy sy samy manana ny fitantarany izy ireo, nandritra ny fakàna am-bavany.

Nogadraina eny amin’ny fonjan’Antanimora izy telo vavy, rehefa avy niatrika ny mpitsara mpanao famotorana teny amin’ny Fampanoavana, omaly. Mbola karohina ny olona niray tsikombakomba tamin’izy ireo, izay nitondra ny vola dimy tapitrisa ariary very.

Nifamahofaho sy niteraka resa-be iny fanafihana teny amin’ny Cité Itaosy iny. Indrindra tamin’ny filazana fa nitazona takalon’aina ireo mpanafika. Niharan’ny esoeso sy fanakianana kosa ireo mpitandro filaminana niatrana teny an-toerana, ny hariva nisehoan’ity tranga teny Itaosy Cité ity.

Uncategorized

Fandrobana « Cash point » Kisarisarim-panafihana ilay niseho teny Itaosy

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra