Fanatanjahantena

Ady totohondry – Lalao olimpika Mpikatroka roa hiady tapakila ho any Tokyo

Handray anjara amin’ny fifaninanana hitrandrahana tapakila amin’ny Lalao Olimpika 2020 ny delegasiona Malagasy, amin’ny 19 hatramin’ny 29 febroary 2020, any Dakara (Sénégal). Handrafitra ny ekipam-pirenena i Andrianarivelo Marco Jérôme (latsaky ny 52 kilao) sy Rasoarinoro Marie Madeleina (latsaky ny 57 kilao). Hiady ho isan’ireo mpikatroka telo voalohany hahazo ny tapakila amin’ny Lalao Olimpika hatao any Tokyo,  amin’ny 24 jolay hatramin’ny 9 aogositra 2020, izy mianadahy.

Tsiahivina fa atleta nandrombaka medaly volamena nandritra ny Lalaon’ny Nosy 2019 tany Maorisy i Marco Jérôme. Mpikatroka isan’ny nandrombaka anaram-boninahi-pirenena betsaka indrindra ho an’ny sokajy vehivavy kosa i Marie Madeleine. “Mpikatroka dimy izy ireo no niatrika ny fampivondrononana. Roa tamin’izy ireo no afaka nandeha noho ny hoenti-manana. Miantoka ny fandehanan’ny delegasiona any Dakara ny  komity Olimpika Malalagasy ( COM)”, araka ny fanazavan-dRabarisoa Hery Mamy, filohan’ny federasiona malagasin’ny ady totohondry