Kolontsaina

Fandefasana horonantsary Ampahafantarina etsy Andohalo ny hirifiry iainan’ireo mpifindra monina

Hotanterahina eto amintsika, amin’ny alahady 15 desambra izao, ny fotoana natokana handefasana an’ ireo karazana horonantsary mikasika ny fifindra-monina na ny « Festival du film sur la migration », karakarain’ ny sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny fifindra-monina na ny OIM.

Eny amin’ny Mozea an’ny saripika Andohalo no handefasana an’ireo horonantsarimihetsika ireo maneho ny fahoriana sy fijaliana iainan’ireo mpifindra monina. Sarimihetsika vahiny miisa valo ho hita eny an-toerana.

Samy hisy horonantsary azo jerena avokoa ny efitra efatra ao amin’ity mozea ity, manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 9 ora alina. Hetsika fanaon’ny OIM isan-taona ny « Festival du film sur la migration », izay mandia ny andiany fahefatra ankehitriny. Efa nosantarina tamin’ny 28 novambra lasa teo ny fihaonana. Maherin’ny zato ny firenena nandray anjara, ka anisan’izany i Madagasikara.

Tanjon’ny mpikarakara ny hanentana ny olona tsy hanao tsinontsinona an’ireo mpifindra monina tsy fidiny, miaina fahasarotana, indrindra amin’ny lafiny sosialy. Ampaha- fantarina ny tombontsoa hoentin’ny fampandrosoana maharitra (ODD) momba ny fifindra-monina. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamorana ny fifindra-monina am-pilaminana, tsy mitera-doza ary tompon’andraikitra.