Faritra

KITRA AMINA TORA-PASIKA Hiverina hiady toerana amin’i Côte d’Ivoire i Madagasikara

Taorian’ny fihaonana efa nisy teo amin’i Madagasikara sy Côte d’Ivoire, tamin’ny andro voalohany ho an’ny lalaom-bondron’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika taranja baolina kitra lalaovina amina tora-pasika dia hiverina hihaona indray izy ireo, anio. Tafiditra amin’ny lalao fiadian-toerana fahadimy izany. Samy tafavoaka ho mpandresy tamin’ny lalao fanasokajiana natrehany, omaly, ireto firenena roa ireto.

Niondrika teo anatrehan’ny Barean’i Madagasikara, tamin’ny isa 5 noho 2, ny ekipam-pirenen’i Tanzania, izay ekipa tsy mbola nandresy mihitsy teo amin’ity andiany fahatelo ho an’ny fifaninanana kaontinantaly ity. Tamin’ny isa 6 noho 3 kosa no nandavoan’i Côte d’Ivoire ny ekipan’i Lybia, teo amin’ny lalao nifanindran-dalana tamin’io fanasokajiana io. Hiady ny laharana fahafito, anio, ny ekipan’i Tanzania sy Lybia, raha laharana fahadimy kosa no hifanandrinan’i Madagasikara sy Côte d’Ivoire. Tamin’ny lalaom-bondrona dia niondrika teo anatrehan’ny Barea, tamin’ ny alalan’ny isa 5 noho 4, ny Elefanta Ivoariana.