Raharaham-pirenena

Hafatra manoloana ny fanakianana Valian’ny Filoha amin’ny asa ireo mpanenjika azy

Tsy handany andro hamaly bontana an’ireo fanakianana sy fanenjehana azy intsony ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Asa ihany ny azy satria noporofoiny nandritra ny fitsidiham-paritra nataony tany Antsiranana, tamin’ny faran’ny herinandro izany. «Valiana amin’ny alalan’ny asa ny fanenjehan’ireo mpanakiana », hoy izy, tamin’ny fitokanana ny lalana miainga ao Antsiranana renivohitra mihazo an’i Ramena.

Notsipihiny ny fahamaroan’ ireo asa fampandrosoana efa mandeha amin’izao fotoana izao na « misy aza ireo minia mikimpy mody tsy mahita izany ». Manamafy ny fampitomboana ny hafainganam-pandeha ny Filoha. Narahiny hazakazaka niaraka tamin’ny vady aman-janany nihazo an’ ilay lalam-baovao mihazo an’ i Ramea tao Antsiranana izany. «Mandroso isika ary tsy maintsy mandeha haingana ny fampandrosoana. Izay te hihazakazaka hampandroso ny firenena dia afaka manaraka antsika amin’ izao diabe izao», hoy izy.

Lalana mihoatra ny 3km no nataony niaraka tamin’ireo mponina tao Antsiranana sy ireo mpikamban’ny governemanta sasany ary ireo olomboafidy nanatrika ny fitokanana an’ity arabe mirefy 19km ity. Nisy ihany koa ny fitsangantsanganana niarahan’ny Filoha sy ny vady aman-janany tamin’ ireo mponina tao amin’ny tora-pasik’i Ramena, avy eo nofaranana tamin’ny hetsika dihy mirindra nandraisan’ireo mpanakanto avy ao Antsiranana anjara.

Fotodrafitrasa maro

Nampahafantarin’ny Filoha ny fananganana hotely lehibe Kintana dimy, ao Ramena sady hiantsoana an’ireo mpandraharaha vonona hampiasa ny volany. « Hiteraka asa ho antsika izany ary hampiroborobo ny fizahantany eto Antsiranana », hoy izy. 15mn monja dia tonga any Ramena raha miala ao Antsiranana renivohitra rehefa mandeha fiara noho ny fahavitan’ny lalana. Nisahana ny fanatanterahana ny asa ny minisiteran’ny Asa vaventy tamin’ny alalan’ny tetikasa « Pôles intégrés de croissance » (Pic). Ny orinasa Sogea Satom kosa no niandraikitra ny fanamboarana.

Ankoatra ny fanombohana ny fanavaozana tanteraka ny lalam-pirenena faha-6 dia fotodrafitrasa vaovao maro no tafapetraka ao Antsiranana. Isan’izany ny EPP manara-penitra izay mahazaka mpianatra hatramin’ny eninjato, ny Tranoben’ny kolontsaina ary ny kianja manara-penitra, izay hotokanana amin’ity taona ity. « Hanorina toerana hipetrahan’ny mpianatra eny amin’ny oniversite koa isika. Hatomboka amin’ ny taona 2022 ihany koa ny fametrahana an’ireo fitaovana hahafahana mitrandraka angovo avy amin’ny alalan’ny rivotra na ny « éolienne »», hoy hatrany ny Filoha Rajoelina, izay namarana ny diany tao Antsiranana tamin’ny sabotsy teo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao