Tao Antsiranana renivohitra no nanombohan’ny fananganana ny akany fitaizana olona manana fahasembanana. Napetraky ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady, tamin’ny zoma 10 septambra lasa teo, ny vato fehizoron’ny fanorenana ny Akany Fitiavana, izay hotantanin’ny « Sœurs du cœur immaculé de Marie », ao Scama.
Hisahana ny fitaizana olona manana fahasembanana sy ireo zokiolona mila fikarakarana manokana ity ivon-toerana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana araka asa ho an’ireo olona manan-kilema ireo. « Hanorina zavatra maharitra ho an’ireo olona mila fanampiana isika», hoy ny Filoha talohan’ny fametrahana ny vato fehizoro, tany antoerana. Sady nisaotra an’ireo masera noho ny asa soa efa nataon’izy ireo nandritra ny 66 taona tamin’ny fitsinjovana an’ireo mpiara-belona aminy ny Filoha Rajoelina mivady no nanamafy ny fahavononan’izy ireo, indrindra koa amin’ny fanohanana an’ireo marefo hotezaina ao amin’ity akany ity.
Isan’ny nanatrika an’io fametrahana ny vato fehizoro tao amin-dry masera ao Sacma io ny Arsevekan’Antsiranana, monsenera Ramaroson Benjamin. Sady nitso-drano ny fananganana ny ivon-toerana izy no nisaotra ny Filoha mivady amin’izao fanorenana fotodrafitrasa hitsinjovana ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona izao.
Hanome hevitra