Sosialy

Fisorohana covid-19 Niampy roa arivo sy efatra alina fatra ny vaksiny Astrazeneca

Mitohy ny ady amin’ny valanaretina Covid-19. Manamafy ireo paikady hoentina miatrika izany ny Fanjakana. Noraisin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, tamin’ny faran’ny herinandro teo, indray ireo fanampin’ny vaksiny Astrazeneca miisa efapolo sy roanjato sy roa arivo sy efatra alina fatra.

Hanampiana ny fanaovana ny fatra faharoa ho an’ireo efa nahavita ny fatra voalohany ireto vaksiny vao tonga ireto. Na izany aza, tsy mahasakana ireo olona maniry te hisitraka an’ity vaksiny ity ho an’ny fatra voalohany sy faharoa, araka ny fampahafantaran’ny avy ao amin’ny Foibem-pitantanana momba ny Fandaharanasa malalaka amin’ny fanaovam-baksiny (Dpev). Heverina mbola hisy olona iray alina hatramin’ny dimy arivo sy iray alina hanao an’io vaksiny io. Nohamafisina ny tsy tokony hatahorana satria amin’ny faran’ny volana oktobra vao ho lany daty. Hisy koa vaksiny hafa ho avy ato ho ato, ankoatra ny Astrazeneca.