Tranga samihafa

Fisolokoina sy halatra Mpivady nandroba vehivavy

Niharan’ny fandrobana niafara tamin’ny fahaverezan’ny vola 250 000 ariary ny vehivavy iray nitaraina ho voasolokin’ny mpivady, tany Antsohihy, tamin’ny zoma lasa teo. Tsy hita popoka iretsy mpivady. Ilay niharam-boina kosa voatery novonjena teny amin’ ny hopitaly noho ny daroka sy herisetra nahazo azy.

Teny an-dalana nikasa hanatitra vola trosan’olona taminy ity vehivavy ity no niharam-boina. Mety ho henon’ny mpivady niaradalana taminy ny antso antelefaonina nataony momba ny volabe tany aminy. Nandresy lahatra azy hiaraka amin’izy ireo izy mivady ireo satria iray lalana ihany. Teo ihany koa ny fanambatambazana azy hiara-hisakafo.

“Tsy nanampo ny hahazo azy ilay vehivavy nitondra vola. Voahidy tao amina trano iray izy sady tsy nahatsiaro tena tao. Ora maromaro taty aoriana vao afaka niantso sy nampandre ny fianakaviany. Nentin’ireo olon-dratsy nafindra tamina trano hafa anefa izy, avy eo. Tafaporitsaka ihany izy ary nisy nitondra tany amin’ny hopitaly. Nitarainany ho marary ny vatany rehetra”, hoy ny loharanom-baovao.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao