Tranga samihafa

Fikendrena sokajin’olona Nokaramaina telo tapitrisa ariary tsirairay ireo mpaka varira

Olona efatra no voasambotra, tany Mandabe, Andohan’Ilakaka, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, nandritra ny hetsika manokana nikarohana ireo mpaka an-keriny lehilahy varira. Fianakavian’itsy niharam-boina ihany ny sasany ary nokaramaina telo tapitrisa ariary tsirairay.

“Nahazo angom-baovao momba ireo nahavanon-doza ny zandary taorian’ny nahavotsotra ny lehilahy varira nalaina an-keriny, andro vitsy lasa izay. Natao ny fikarohana ka fantatra fa tany Mandabe izy ireo. Tratra ny efatra. Ny fianakavian’ilay olona varira mipetraka any Ranohira no nampanantena telo tapitrisa ariary homena azy ireo aorian’ny fakàna an-keriny. Niitatra tamin’ny fisamborana ny tompon’ireo basy nampiasaina tamin’ny fakàna an-keriny ny hetsika”, hoy ny fanampimbaovao avy amin’ny Zandarimaria, any Andohan’Ilakaka.

Lehilahy varira 24 taona io lasibatra io. Nifanenjehan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ireo jiolahy. Velona mihitsy ny fifampitifirana saingy tafatsoaka ny mpaka an-keriny. Avotra soa amantsara rehefa nafenina tao anaty lavabato ilay tovolahy varira. Nifatotra ny tongony sy ny tanany. Nitampina ny vavany ary feno ratra tamin’ny vatany toa nampijaliana, araka ny loharanom-baovao. Tsy misy hatahorana ny ainy ankehitriny.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao