Tranga samihafa

Fanenjehana jiolahy Efa-dahy lavon’ny bala tany Farafangana

Nahery vaika ny fifandonan’ny zandary tamin’ny jiolahy tany amin’ny tandavanalan’i Beravy, tany Farafangana, nandritra ny alin’ny zoma 10 septambra lasa teo. Jiolahy ampolony nifanehitra tamin’ireo zandary avy nanao fanentanana momba ny “Tagnamaron’ny fandriampahalemana”. Raikitra ny fifampitifirana ka maty ny efatra tamin’iretsy olon-dratsy. Tafatsoaka ny sasany saingy azo sambo-belona ny telo hafa.

“Tsy nisy mpitandro filaminana nanao fisafoana mihitsy nandritra ny taona maro tao amin’io tandavanala io. Rehefa avy nanentana ny mponina tamin’ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana izahay no ninia niditra tao. Tsy nety nandeha niaraka taminay anefa ny lehiben’ny fokontany noho ny tahotra satria voalaza fa fieren’ny jiolahy mahery vaika an-jatony ilay toerana. Efa niomana tamin’ny lafiny rehetra izahay noho izany. Nisy tokoa ny fifandonana rehefa tonga tao anatin’ilay tandavanala”, hoy ny fitantaran’ireo zandary any Farafangana. Mbola nahitana fitaovam-piadiana isankarazany, toy ny basy, lefona, antsy maranitra tany amin’ireo jiolahy. Niravaka ody gasy ihany koa ny maro tamin’izy ireo. Voatazona sy atao famotorana any Farafangana ireo azo sambo-belona. Misy amin’izy ireo no mbola tsy ampy taona akory, araka ny fantatra.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao