Sosialy

Fanatsarana fanabeazana Nojerena manokana ny fampianarana any Atsimo Andrefana

Nijery ny zava-misy amin’ny sekoly tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo. Handalo distrika maro anyAtsimo Andrefana , Anosy, Androy ary Ihorombe izy mandritra izao fidinana ifotony izao.

Tao amin’ny distrikan’i Morombe no nisantarany ny fihaonany tamin’ireo tompon’andraikitry ny fanabeazana any amin’ny fitaleavam-paritra Atsimo Andrefana ho fanatanterahana ny torolalana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika. Nandritra ny fivoriana araka asa no nampahafantarana tamin’ny lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana, ny sefo ZAP, ny mpitantana ny Farimbon’ezaka ho fahombiazan’ny fanabeazana eny ifotony na Feffi ary ny solontenan’ny Fram ny asa miandry, dia ny fanabeazana tsara kalitao ho an’ny rehetra. “Samy manana anjara andraikitra sy adidy daholo ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, indrindra ny eny ifotony”, hoy ny minisitra.

Nasian-teny ny fijerena ny fanatsarana ny fitantanana, ny fampitaovana sy ny rafi-pitantanana ao amin’ny minisitera, famatsiana fitaovana sy vola ny sekoly (ny caisse école sy ny caisse de soutien, cantines scolaires) izay halefa any amin’ny Feffi, ny fanampiana isaky ny roa volana, ny “vacations”, ny fitantanana ny olona. Tafiditra tao anatin’ny fivoriana arahina asa ny fandraisana ireo mpampianatra Fram, fandraisana be taona miisa eo amin’ny dimampolo sy sivinjato manerana ny Nosy amin’ity taona ity ary ny fizarana ny taratasy fifanarahana araka asa andiany fahafito sy fahavalo. Isan’ny nisitraka izany ireo mpampianatra Fram dimampolo tany amin’ny distrikan’i Morombe.

Tsy nitondra tanam-polo anefa ny minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle fa nanome fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra: kapa ary aron’akanjo. Teo ihany koa ny fanolorana seza sy latabatra natokana ho an’ny kilasy efatra tao amin’ny EPP Tsinjorano Morombe ary tablety dimampolo ho an’ny CEG Jefson Jean Jonasy Morombe.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao