Tranga samihafa

Fanafihana Pasitera namoy ny ainy voatifitry ny dahalo

Namoy ny ainy voan’ny bala avy tamin’ny tifitra nataon’ny dahalo am-polony nangalatra omby tany Ambatofitorahana-Ambositra, ny pasitera iray, tamin’ny 10 septambra lasa teo. Noenjehin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ireo mpanafika saingy tsy nisy tratehaka hatramin’ny omaly.

Omby iraika ambin’ny folo, tao Mavoandro, any Ambatofitorahana, no voaroba. Rehefa naheno ny zava-nisy ny fokonolona dia nifampiantso. Raikitra ny fanenjehana an’ireo dahalo. Nitifitra iretsy farany ka nahavoa an’io mpitondra fivavahana io, izay maty tsy tra-drano.

Tsy nahitam-bokany ny bemidina nataon’ny mpitandro filaminana avy any Manandriana, Camp Robin sy Talata Vohimena. Misy ihany koa ireo voalaza ho miambina ny kizony iarahan’ny zandary sy tafika misalahy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao