Tranga samihafa

Fahitana razana tany Ambositra Vehivavy tadiavina mafy tamin’ ny fanolanana sy fahafatesan-jaza

Tranga mampivarahontsana. Voamarina ny fanolanana sady famonoana ho faty ny zazavavy 7 taona nariana tao anaty rano, tany Amoron’Isaha Ambany Atsinanana, any Ambositra afak’omaly maraina. Nifatotra ny tongotra aman- tanany. Vehivavy iray sendra nivahiny tao an-tranon’ny ray amandrenin’io zaza io no karohina fatratra satria ahiana voalohany ho isan’ny tompon’antoka tamin’izao raharaha izao.

Tamin-dranomaso sy alahelo tanteraka no nandraisan’ny ray amandreniny ny vatana mangatsiakan’ilay zaza. Nijery akaiky an’ity tranga ity sady nampionona ny fianakaviana ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana, toy ny ben’ny tanàna, ny solombavambahoaka ary ny avy amin’ny governora. Hokarohina ny olon-dratsy nahavanon-doza. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana.

Anisan’ireo nihaona mivantana tamin’ny fianakavian’ity zaza namoy ny ainy ny solombavambahoakan’ Ambositra, Nomenjanahary Simon Fandrava sady namantatra ny zava-nisy marina.

Vahiny tsy nampoizina

“Notantarain’ny renin’ilay ankizy ny momba ny vehivavy iray niangavy ny hatory tao amin’izy ireo noho ny tsy fananany havana sy toerana hivantanana tamin’ny alahady 5 septambra lasa teo. Nanaiky ny tompon-trano. Avy eo, nolazainy fa very tao an-trano ny findain’io vehivavy vahiny io. Nisy ny fanendrikendrehany ny tompon-trano izay niafara tamin’ny fifamaliana kely ary nanao vava mihitsy ilay vehivavy. Tamin’ny zoma lasa teo no tsy hita ny zanaka vavimatoan’iretsy tompon-trano. Nitantara ny mpiara-monina fa ilay vehivavy nivahiny tao amin’izy ireo no hita nitondra azy farany tamin’ny fotoana tsy nahateo ny ray aman-dreniny”, hoy ny fampitambaovao avy amin’iry solombavambahoaka, omaly.

Tsy nampoizina ny tohin’ny tantara. Hita natsingevan’ny rano, ny ampitso tsy nahitana azy (Naotin’ny fanoratana: sabotsy), ny vatana mangatsiakan’ilay ankizivavikely. Nipetraka avy hatrany ny ahiahy tamin’ilay vehivavy vahiny voalaza ho niaraka taminy farany. Tadiavina izy amin’ izao fotoana izao.

“Fianakaviana sahirana iretsy namoy anaka. Nanampy azy ireo niantoka ny fiara sy fandehanana any Ambatofinandrahana handevenana ny razana aho. Tsy hamelana raha tsy tratra ny olon-dratsy sy izay rehetra niray tsikombakomba taminy”, hoy ihany i Nomenjanahary Simon Fandrava.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao