Tranga samihafa

Disadisa noho ny fitrandrahana safira Voasoroka ny fifandonan’ny foko roa tany Sakaraha

Vokatry ny faharatran’ny olona telo sy ny fahamaizan’ny trano kely an-jatony, tany Analamahavelona-Ambinany, any Sakaraha, tamin’ny 7 septambra lasa teo, no niteraka disadisa teo amin’ny foko roa samy mpitrandraka safira. Ambivitra ny tsy nisian’ny fifamonoana raha tsy tafidina ifotony haingana ireo olomboafidy sy manampahefana avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, izay nandamina ny toe-draharaha tamin’ny faran’ny herinandro teo.

Nakatona vonjimaika ilay toerana fitrandrahana safira. Nampihavanina tamin’ny alalan’ny fifampiresahana ireo foko roa saika hifanandrina. Ireo no vokatry ny fifampidinihana niandraiketan’ny manampahefana sivily sy ireo lehiben’ny mpitandro filaminana nandeha tany Sakaraha.Nanaiky ny hiantoka ny lany rehetra hitsaboana ireo naratra nalefa haingana aty an-drenivohitra ny nahavanon-doza taorian’ny fifampidinihana. Ambenana mpitandro filaminana avy any Andranolava ny toerana. Hisy ny fiarahan’ny mpitrandraka rehetra mivondrona ao anaty fikambanana iray handaminana ny fitrandrahana.