Tapatapany Tranga samihafa

Vaky trano

Tsikaritry ny tompon-trano ny lehilahy telo nanapitsoka ny varavaran’ny trano fivarotana iray, teny Ankadindramamy, tamin’ny alin’ny alarobia. Nantsoina haingana ny polisy. Nirifatra nandositra izy telo lahy vantany vao nahitana ny mpitandro filaminana. Tratra ny iray tamin’izy ireo. Nahitana vola dimy alina ariary azo tao amin’ilay fivarotana voaroba teny aminy.