Fanatanjahantena

Baolina lavalava – Amboaran’i Afrika Hifandona voalohany amin’ i Maraoka ny Makis vehivavy

Ao anatin’ny fampivondronana tanteraka ireo mpilalao baolina lavalava lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy na ny Makis, amin’izao fotoana izao, efa ho roa herinandro izao. Hikatsaka ny tapakila amin’ny Lalao Olympika amin’ny taona 2020, any Tokyo, izy ireo mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny 12 sy 13 oktobra ho avy izao any Tonizia.
Lalao telo avy hatrany no miandry ny Makis vehivavy amin’ny andro voalohany, ka hisantatra izany ny lalao amin’i Maraoka. Ny Maorisiana sy Tonizia no mpifanandrina amin’ny MPalagasy aorian’izay.

Ireo firenena roa ambin’ny folo voalohany eto Afrika no hiady an’io tapakila io. Hiady ny amboara ireo mpilalaon’i Kenya , Oganda, Zimbaboe, Madagasikara, Senegal, Botsoana, Zambia, Maraoka, Maorisy, Afrika Atsimo, Gana ary Tonizia. Izay tonga amin’ny laharana voalohany no hahazo ny tapakila hiatrehana ny Lalao Olimpika. Izay faharoa sy fahatelo kosa handray anjara amin’ny lalao sakana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany.

Sendra R.