Kolontsaina Tapatapany

Hetsika Donia 2018

Miditra amin’ny andiany faha-25. Raha isaky ny faran’ny herinandron’ny Pantekôty no nanatanterahana azy hatramin’izay, dia nahemotra ny 26 ka hatramin’ny 30 septambra izao ny Festival Donia, any Nosy Be. Antony nanemorana ny hetsika tamin’ity taona ity ny fifandrifian’ny daty tamin’ny « Ramadan », izay ao anatin’ny fombam-pivavahana silamo. Anisan’ny maro an’isa any amin’iny faritra Avaratry ny Nosy iny rahateo ny mpino silamo. Toy ny isan-taona dia sehatra iray hanosehan’ ireo mpikarakara ireo tanora mpanakanto ny Donia, ary mbola tsy mivaona amin’izany ity andiany faha-25 ity. Ankoatra ireo mpanakanto tanora mitrandraka ny karazana gadona samihafa, dia handray anjara amin’ny hetsika ihany koa ireo mpanakanto efa sangany toa an-dry Mijah, Vaiavy Chila, Black Nadia, Maître Ruffin, Minah, Tence Mena, Dalvis, Sisca ary toy ny mahazatra dia manakatona hatrany ny Donia any Nosy Be i Fandrama.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra