Sosialy

Toetrandro Ho maina ny andro manomboka anio

Tsy hisy intsony ny orana manomboka anio hatramin’ny faran’ny herinandro eto Antananarivo. Fantatra fa ho maina tanteraka ny andro saingy hitohy ny hatsiaka ny maraina satria hisy fidinany ny mari-pana ambany indrindra.

Hiverina ihany koa ny andian-javona aty amin’ny afovoan-tany sy any atsimon’ny Nosy amin’ny maraina, raha ny vinavinan’ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetrandro .

“ Hisy fidinany ny mari-pana ambany indrindra eto Antananarivo sy ny atin-tany rehetra. Hahatratra 8°C na 9°C izany. Mety hiakatra hatramin’ny 23° C kosa anefa ny mari-pana ambony indrindra”, hoy ny teknisiana avy ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetrandro, omaly. Mbola hitohy indray ny orana any amin’ny faritra Analanjirofo sy Sava. Ho an’ny rahampitso kosa, 11°C ny mari-pana ambany indrindra izay ho hita any Vakinankaratra sy Fianarantsoa. Ny any Mahajanga no hafana indrindra , izay hahatratra hatramin’ny 33°C ny mari-pana.