Tranga samihafa

Loza an-dranomasina Italiana iray namoy ny ainy, Malagasy iray tsy hita popoka

Ora maro taty aorian’ny nilentehany tao anaty ranomasina, tany Sahasifotra, any Sainte-Marie vao hita ny vatana mangatsikan’ny lehilahy iray teratany italiana, mpizaha tany, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisy lehilahy malagasy iray hafa tsy hita hatramin’ny omaly, isan’ireo nilentika tao anatin’ny ranomasina ihany koa.

“Tamin’ny sabotsy 10 aogositra, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany io vahiny io no nilentika ka tsy hita tao anaty ny ranomasina. Araka ny voalazan’ireo olona teo amin’ny manodidina dia nikasa hanavotra azy ilay lehilahy malagasy izao tsy hita popoka izao. Ny tolakandron’ny sabotsy, tokony tamin’ny 3 ora sy sasany vao hita ny razan’ilay italiana”, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Tsy mitsahatra mikaroka an’io Malagasy iray io ireo fokonolona ampian’ny zandarimaria any an-toerana .