Tapatapany Tranga samihafa

Fifandonana fiara

Nifandona, tetsy Analakely, tamin’ny sabotsy lasa teo, ny fiara roa marika « Golf » sy «  Suzuki Vitara ». Tsy nisy ny olona naratra na namoy ny ainy, araka ny tatitra avy amin’ny mpitandro filaminana. Samy nahitana fahasimbana goavana ny fiara roa tonta. Voalaza fa noho ny tsy fitandremana no nahatonga ny loza.