Tranga samihafa

Famongorana ny fakana an-keriny Hanaovana fisy manokana ireo olon-dratsy rehetra

Hisy manomboka izao ny firaketana an-tsoratra sy an-tsary ny momba ireo jiolahy mpaka an-keriny rehetra. Hanampy betsaka amin’ny fanatanterahina an’io paikady hiadiana amin’ny fakàna an-keriny io ny firenena Frantsay, araka ny nivoitra tamin’ny fihaonan’ny Masoivoho Frantsay Christophe Bouchard sy ny jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena na ny Seg, teny Betongolo, omaly. Am-polon-taonany maro no tsy nisy teto Madagasikara izany firaketana izany.

“Tetikasa efa noeritreretina taona maro lasa izay ny fandraiketana an-tsoratra an’ireo mpaka an-keriny saingy tsy nety tanteraka. Noresahina indray izany androany niaraka tamin’ny Masoivohon’i Frantsa. Nanome toky izy fa vonona hanampy. Hiraisan’ny mpitandro filaminana rehetra io firaketana io ary hapetraka ao amin’ny minisiteran’ny Atitany. Tsy ho sarotra ny hamantatra ireo jiolahy voampanga amin’ny fakàna an-keriny, vantany vao vita ny firaketana. Ankoatra an’izay, nankasitraka ny ezaka natao ka tsy nisian’ny fakàna an-keriny an-drenivohitra nihatra tamin’ireo Karàna mizaka ny zom-pirenena frantsay ilay diplaomaty tamin’ny resaka nataony”, araka ny fanazavan’ny Seg.