Bao tsy mivily Raharaham-pirenena

Faharendrehana amin’ny kolikoly

Satry tokoa ny hino. Satry dia satry saingy tsy hinohino fahatany fa sady mahita ihany koa ny asa mivaingana amin’ny famongorana ny kolikoly eto Madagasikara. Tafapetraka tamin’ny herinandro lasa iny ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Saro-piterahana ny fivoahan’ny anaran’ny tale jeneraly vaovao. Enga anie ka ny safidy mba hahazoana vokatra tsaratsara kokoa noho ny teo aloha nefa haingana lavitra no mety ho anton’ny fitarazohan’ny fanendrena.

Raha atao indray mijery dia nandroso isika tamin’ny ezaka iadiana amin’ny kolikoly, raha tsy hilaza afa-tsy ny fitsanganan’ireo rantsam-pitsarana manokana miady amin’ny kolikoly. Nahenoana anarana manampahefana sy tompon’andraiki-panjakana ambony ihany tao anatin’ireo voarohirohy noho ny raharaha fanenjahana samihafa. Mbola betsaka kosa ireo anarana mipoapoaka sy nalaza teto amin’ny firenena no miriaria any, na eto na tsy eto an-tanindrazana intsony. Zary miandry ny ohatra miainga avy any ambony, na koa hoe mitady an’ilay fahazarana manenjika sady manafay an’ireo “tsimatimanota” aloha ny ankamaroan-dRamalagasy.

Indraindray mantsy toa ataony fitaovana ihodivirana amin’ny fialana amin’io fahalovana io ny fahafantarany fa misy an-dRakoto sy Rabe, nitazona an’izao toerana izao sy izao, tena raindahiny tamin’ireo endrika kolikoly teto amin’ny firenena, saingy vitavita ho azy. Natao enjikenjika fotsiny ny fametrahana an’ilay Fitsarana manokana an’ireo olona ambony (HCJ), indrindra fa nihantona tamin’ny fiandrasana ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny raharaha mila tohizana mahakasika sokajin’olona efa nanana andraikitra lehibe teto Madagasikara.

Finiavana politika fa tsy kajikajy politika no tokony hibaiko amin’ny famaranana an’ireny raharaha samihafa ireny, na iza na avy aiza ary na inona ilay olona voarohirohy. Mba tsy ho eo imolotra fotsiny, na ho fialana balan’ireo olom-pirenena an-tapitrisany amin’ny hanohizany ny fomba ratsy, ny fanenjehana an’ireo “trondro vaventy”. Rehefa tena vaindohan-draharaha tokoa ny ady amin’ny kolikoly dia aoka samy hiaiky fa ao anatina farihy iray ilomanosana miaraka amin’ny fahalovana no misy antsika mianakavy. Mila foanana ilay fomba famaritana ny trondro madinika sy lehibe rehefa manao kolikoly. Tsy maintsy manafay ny rehetra ny haran-jono sy ny lelam-pitana, na iza na iza. Sao ny vola haloa amin’ny “tsolotra” fotsiny no mitombo, na hihoapampana mihitsy aza, fa ilay ady amin’ny kolikoly ho tahaka ny lovian-tsahona ihany…

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra