Samihafa

Ambatondrazaka Lehilahy lehibe maty voadonan’ny kibôta

Namoy ny ainy ny lehilahy lehibe iray voadonan’ny kibôta tany Ambohimasina Ambatondrazaka, tamin’ny marainan’ny sabotsy lasa teo. Noho ny ratra sy dona mafy nahazo azy no nitarika ny fahafatesany, ora maro taorian’ny nitsaboana azy teny amin’ny hopitaly. Ny polisy any Ambatondrazaka no misahana ny famotorana momba an’ity voina ity.

Voalaza fa avy namangy marary tao amin’ny hopitaly ilay zokiolona no tra-doza. Voadonan’ny kibôta ka naratra mafy sy tsy nahatsiaro tena izy. Nosamborina avy hatrany ny mpamily.

Nahazo tatitra avy tamin’ny mpitsabo sy ny fianakaviana, avy eo, ny polisy fa nindaosin’ny fahafatesana ilay lehilahy voadona. Andrasana ny fahatongavan’ny fianakaviana mana-manjo dia hoentina eny amin’ny Fampanoavana ny raharaha.