Raharaham-pirenena

Hanomboka amin’ny septambra ireo fanadinam-panjakana

Nampahafantarin’ny filoham-pirenena, omaly, ireo datim-panadinana ofisialy vaovao ho an’ny fampianarana ambaratonga voalohany sy faharoa amin’ity taom-pianarana ity. Hotanterahina amin’ny 1 septambra 2020 ny CEPE, raha amin’ny 14 – 18 septambra 2020 ny BEPC. Hatao, amin’ny 5 – 9 oktobra 2020 kosa ny fanadinam-panjakana Bakalôrea, izay hamarana ny taom-pianarana. Na izany aza anefa dia mbola tsy voafaritra ny fiverenan’ny mpianatra any an-tsekoly eto Analamanga.