Tranga samihafa

Fahafatesana mampiahiahy Mpitondra môtô hita faty teo amin’ny arabe

Manjavozavo ny zava-niseho mety ho nitarika ny fahafatesan’ny lehilahy iray, roa amby efapolo taona, hita faty tamin’ny arabe, tsy lavitry ny Fasan’ny Karàna, Ankadimbahoaka, afak’omaly alina. Voalaza fa niharan’ny lozam-pifamoivoizana rehefa nifandona tamina sarety izy. Tsy nahitana porofo mazava anefa ny momba izany, raha ny voalazan’ireo mpitandro filaminana mandray an-tanana an’ity raharaha ity.

Nitrosona teo amin’ny arabe ilay lehilahy. Teo akaikiny teo ny kodiaran-droa nentiny. Samy tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ny polisy avy eny Mahamasina, ny Borigady misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC) sy ny Borigady misahana ny heloka bevava (BC) ary ny avy amin’ny Birao monisipaly misahana ny fahadiovana (BMH). Ity farany no nanatitra ny razana teny amin’ny tranom-paty. “Tsy nisy olona nivezivezy intsony tamin’io fotoana io. Nanontaniana ny zavatra hitany sy mety ho reny ny olona teo amin’ny manodidina. Nilaza izy ireo fa nahadona sarety io môtô io. Tsy hita teo anefa ilay sarety. Tsy nahitana fahasimbana goavana ihany koa ny kodiaran-droa. Mampiahiahy hatreto, ny fahafatesan’ilay lehilahy. Misokatra ny fanadihadiana”, hoy ny mpitandro ny filaminana nanao fizahana teny an-toerana.