Tranga samihafa

Tsaralalana Mpitifitra sy mpandroba azo sary

Eo am-pelan-tanan’ny Polisy misahana ny heloka bevava (BC) etsy Anosy, ny raharaha fanafihana, teny Tsaralalàna, tamin’ny alarobia lasa teo, ka nandratra olona telo voatifitra sy voavely vodibasy ary voaroba volabe. Azo sary tamin’ny fakantsary miafina ireo jiolahy. Hita mazava ny fihetsik’izy ireo. An-dalana ny fitsi­rihana sy ny fanadihadiana. Tsy misy atahorana kosa ny ain’ireo voatafika, vehivavy sy lehilahy iray naratra voatifitra.

Voavely vodibasy kosa ny lohan’ny lehilahy iray hafa. Mpanakalo vola vahiny ireto lasibatry ny andian-dehilahy nitondra môtô tao anaty fiara nija­nona, teny Tsaralalàna. Vola gasy sy vahiny manodidina ny zato tapi­trisa ariary no voaroba. «Efa-dahy nandeha môtô roa no hita nitangorona teo amin’ny fiara sady naka ny vola. Nambaran’ ireo voatafika fa manodi­dina ny valo lahy ireo olon-dratsy», hoy ny polisy.