Tapatapany Tranga samihafa

Mpanendaka

Naiditra am-ponja vonjimaika ilay tovolahy, roapolo taona, malaza ratsy amin’ny fanendahana eny Isotry sy ny manodi­dina rehefa voasambotry ny polisy, tamin’ny herinandro lasa teo. Fitarai­nana miisa telo amby fitopolo sy fitoriana maro no efa voaray momba an’io tovolahy voatondro ho mpanendaka io.