Raharaham-pirenena

Kolikoly teny Tsimbazaza Naverina any amin’ ny Bianco ny raharaha depiote 79

Naverin’ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana manokana misahana ny kolikoly (PAC) any amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ireo antontan-taratasy fitoriana ny raha­rahana kolikoly maha voasaringotra an’ireo depiote miisa sivy amby fitopolo, teny Tsimbazaza, tamin’ny taona 2018. “Vitsy loatra ireo depiote natao fanadi­hadiana sy natao famotorana ka tsy ampy hampikarana ny raharaha eto amin’ny PAC. Noho izany, dia miandry ny fanaovana ny fanadihadiana misimisy kokoa izahay”, hoy ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity Fitsarana manokana ity omaly.

Fandaniana volavolalan-dalàna maromaro no nitoe­ran’ny ahiahy fisiana kolikoly nahavoasaringotra an’ireto depiote ireto. Misy amin’izy ireo no mbola lany hiaka-dapa eny Tsimbazaza amin’izao fotoana izao.