Raharaham-pirenena Tapatapany

Kaongresy nasionalin’ny Tim

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy, omaly, teny amin’ny Magro Tanjombato ny fihaonam-be nasionaly nataon’ny antoko Tiako i Madagasikara, tarihin’ny filohany, Ravalomanana Marc. Nandrasana ny fahatongavan’ireo mpisehatra avy amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy ka nisy ireo tonga omaly ihany saingy nisy koa ireo mbola taraiky fahatongavana noho ny halaviran’ny lalana. Hatreto dia mbola fanokafana an’ity fikaondoha iraisana ity no natao fa anio vao hotapahina ireo fanavaozana rafitra rehetra sy fani­tsiana lalàna mifehy anatiny. Amin’ny maha lasa antoko mpanohitra ny Tim dia milaza ny hamerina indray ny heriny sy hanaporofo ny maha antoko matanjaka azy ny Tim, ka izany no anton’izao kaongresy nasionaly izao.