Raharaham-pirenena

Fanajana etika sy deontolojia Tsy nanaja ny toky nomeny ny ankamaroan’ireo depiote

Tsy manana fitondran-tena mendrika. 63 % an’ireo depiote lany hiaka-dapa eny Tsimbazaza no tsy nanaja ny toky nomeny, araka ny tatitra navoakan’ilay Komity misahana ny fampanaovan-tsonia ny sata mirakitra ny fitsipi-pitondran-tenan’ireo kandidà depiote. “Mahatratra 27 % kosa ireo tsy nanao sonia an’io sata io nefa lany solombavambahoaka”, hoy ny fanambaran’izy ireo, omaly. Ny 10% tamin’ireo kandidà miisa telo amby dimampolo sy dimanjato nanao sonia ny sata ihany no nanaja an’ireo fitsipika napetrak’ity komity ity. Maro an’isa ao anatin’ireo kandidà lany depiote, izay tsy nanaja ny toky nomeny mialoha ny niatrehana an’iny fifidianana depiote iny, ny avy eo anivon’ny vondrona antoko politika miara-dia amin’i Andry Rajoelina. Avy eo ireo kandidà tsy miankina. Mitaky ny “mba hanajan’ireto depiote ireto ny tamberina andraikitra amin’ireo vahoaka nifidy azy ireo ny komity, izay ahitana ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), ny Filankevitry ny fampihanana Malagasy (Ffm)…