Fanatanjahantena

Baolina kitra- Federasiona Andrasana ny famoahana ny lisitr’ireo kandidà hofidiana filohan’ny FMF

Tapitra, omaly, ny fanaterana ny antontan-taratasy fila­tsahan-kofidiana ho an’ireo kandidà ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja baolina kitra (FMF). Vao ny anaran-dRasoamaromaka Hery ihany no tena re ao anatin’ ireo nanatitra ny taratasiny tetsy amin’ny foiben-toeran’ny FMF, tetsy Isoraka.

Raha ny tsilian-tsofina dia efatra no isan’ireo kandidà hirotsaka amin’io fifidianana io, saingy andrasana atsy ho atsy ny famoahan’ilay Komity famerenana amin’ny laoniny ny baolina kitra (CDN) ny lisitra ofisialy. Nisy tamin’ireo kandidà tamin’ilay fifidianana saika notontosaina tamin’ny taon-dasa no nanipy fonon-tanana ka tsy handray anjara intsony fa nanapa-kevitra ny hanohana olon-kafa, toa Andrianirina Briand sy Randriamanampisoa Alfred ary Rakotoarimanana Henintsoa. Ny kandidà Rasoamaromaka Hery no hotonahan’izy ireo, araka ny fantatra nandritra ny fanateran’ny mpisolo tena an’itsy voalohany ny antontan-taratasy filatsahan-kofi­diany tetsy Isoraka afak’omaly. Marihina fa mila fiahian’ny ligy telo ny firotsahan-kofidian’ny kandidà iray amin’izao fifidianana ny filohan’ny FMF izao.

Sendra R.